Aller au contenu

Fiteny serba

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny serba na fiteny serbiana dia iray amin' ny karazana fiteny fenitra ampiasain' ny Serba (na Serbiana) ao amin' ny fiteny serbô-krôatiana na serbô-krôaty ao amin' ny vondrom-piteny slava.

Ny fiteny ataon' ny mpahay teny sasany hoe fiteny serbô-krôaty na serbô-krôatiana, dia ataon' ny hafa hoe "fiteny slava afovoany-atsinanana" na "fiteny stôkaviana" (štokavski jezik) na "fiteny stôkaviana vaovao" (standardni novoštokavski) na "fiteny bôsniana-krôatiana-môntenegrina-serbiana". Atao hoe српски (amin' ny abidy sirilika) na srpski (amin' ny abidy latina) izay tononina hoe /sr̩̂pskiː/) io fiteny io amin' ny teny serba.

Amin' ny fomba fijerin' ny manampahaizana mampifandray ny fiteny sy ny fiarahamonina dia fiteny voafenitra iraisan' ny Serba sy ny Krôatiana sy ny Bôsniaka ary ny Môntenegrina ny fiteny serba, ka ny fototra dia ny endri-piteny (fitenim-paritra) stôkaviana, ary fanovan' io fiteny io ny fiteny krôatiana sy ny fiteny bôsniana ary ny fiteny môntenegrina. Soratana amin' ny abidy sirilika sy amin' ny abidy latina ny fiteny serba.

Tsy ny vahoaka serba ao Serbia ihany no mampiasa ny fiteny serba fa ao koa ny vondrom-piarahamonin' ny vitsy anisa any amin' ny firenena manakaiky an' i Serbia, sy ireo Serba nifindra monina nankany Eorôpa Andrefana sy any Amerika Avaratra ary any Aostralia.

Annisan' ny fiteny ôfisialy telon' i Bôsnia-Herzegôvina ary fiteny ôfisialy koa ao Môntenegrô ny fiteny serba. Fitenin' ny vitsy anisa ny fiteny serba ao Krôatia, ao Makedônia Avaratra, ao Romania, ao Hongaria, ao Slôvakia ary ao amin' ny Repoblika Tseka.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]