Faritr'ora
Apparence
![](https://cdn.statically.io/img/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/88/World_Time_Zones_Map.png/287px-World_Time_Zones_Map.png)
Ny faritr'ora dia faritra lava eo amin'ny velaran'ny Tany, amin'ny ankapobeny manaraka ny tsipika avy any any amin'ny tendron-tany avaratra mankany amin'ny tendron-tany atsimo, izay anajana ora mitovy amin'ny toerana rehetra ao anatiny. Noho ny antony momba ny fampiharana dia matetika no manaraka ny sisin-tanin'ny firenena na ny sisin-tanin'ny fiaràna ao aminy ny faritr'ora. Ny faritr'ora roa mifanolotra dia mielanelana ora iray, nefa misy ny mielanelana 30 na 45 minitra.